Canalblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
Publicité
Scent of family - Akaniko - Mémoires de famille
25 juin 2013

Vavaka Ho an'i Madagasikara sy ny Malagasy - Prayer for Madagascar Island and the Malagasy people all around the world

DSC03853_helys

helys © , tous droits réservés 2001, 2013 - helys © , all rights reserved 2001, 2013 ~  Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.

 HO AN'NY FIANAKAVIANA MALAGASY REHETRA

VAVAKA

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra o!

Misoatra ny Anaranao izahay amin'ny taona, amin'ireo zavatra maro niaiana'ireo Razambenay, niainanay, nodiavin'ny tanindrazanay sy ny Firenenay...

Tao ny mamy, tao koa ny mangidy, Andriamanitra o!

Ianao mahalala ny zavatra rehetra. Miantoraka eo an-tongotrao izahay !

 

...Tsy misy mendrika izahay Andriamanitra o... Olombelona ihany izahay Andriamanitra o!

Reraka ny ainay,

Reraka ny sainay,

Reraka ny fanahinay

ANDRIANANAHARY O!

VONJEO E!...

 

Mifona aminao... Mamindrà fo aminay Andriamanitra o!

Aza ny tsy fahamendrehanay no jerena fa ny Ra soan'Ilay zanakao Mpamonjy anay, JESO KRISTY izay nanavotra anay amin'ny fahafatesana mandrakizay no hitalahoanay aminao.  Mamindrà fo aminay Andriamanitra o! Olombelona ihany izahay. Tsy manana hafa-tsy Ianao iankinana, antenaina eto amin'ity fiainana mandalo ity.

Apetrakay aminao ny tanindrazanay Madagasikara sy ny Malagasy rehetra. Apetrakay aminao ny ainay tsy iray iray avy, ny aminay rehetra.

Tsy manana na inona na inona izahay Andriamanitra o! Fahasoavana avy aminao avokoa no maha-izao anay... Mamindrà fo Andriamanitra o!

 

Ianao nahary anay, Ianao mahita ny mianjady aminay, Ianao mahare ny toman'ireo zaza malagasy noana, Ianao mahita ireo mijaly amin'ny fahantrana ara-nofo, ara-tsaina sy ara-panahy Andriamanitra o!

Ianao miaina ny hirifirinay Andriamanitra o!

Ianao mahare ny senton'ireo ray aman-dreny tsy afa-manoatra, Andriamanitra o!

Ianao Tompon'ny Aina, Ianao Tompon'ny Hery rehetra, Ianao Tompon'ny Fanjakana, Ianao Tompon'ny Fahefana ety an-tany sy any an-danitra no ametrahanay ny Fisaorana, ny Fanantenana, ny Fifaliana amin'ny izay rehetra ataoanao hahasoa anay.

Midera sy mankalaza ny Anaranao mandrakizay, mandrakizay izahay.

Ho tonga anie ny Fanjakanao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. - AMEN - Olga HELISOA - helys © , all rights reserved 2001, 2013

Rajery - VAVAKA
AKANIKO - SCENT OF FAMILY: "Indreto izahay taranaka Malagasy miely eran-tany"
- "Here we're Malagasy families in the world"
- "Nous voici, des descendants de Malagasy dans le monde"

Publicité
Publicité
Commentaires
Scent of family - Akaniko - Mémoires de famille
  • Terak'It. RANJAMINA G. sy Atoa RAFARALAHIMANANA J. ~ "Scent of family - Akaniko" is a collection of families photos, their roots in madagascar, family tree, traditions... ~ "Akaniko" dia vohikala manangona ny sarim-pianakaviana sy ny momba azy ireo
  • Accueil du blog
  • Créer un blog avec CanalBlog
Publicité
Scent of family - Akaniko - Mémoires de famille
Archives
Derniers commentaires
Visiteurs
Depuis la création 45 053
Publicité